Jeremiah 8:23 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enga anie ka ho feno rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman’alina ireo voavono amin’ny oloko zanakavavy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no hanova ny lohako ho rano? sy ny masoko ho loharanon-dranomaso, mba hitomaniako andro aman’alina, ireo maty tamin’ny zanaka vavin’ny oloko?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Enga anie ka ho feno rano ny lohako ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman’alina ireo maty tao amin’ny fireneko!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enga anie ka ho feno rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman’alina ireo voavono amin’ny oloko zanakavavy!
malagasy
Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!