Jeremiah 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny sisa rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay sisa tavela rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, any amin’ny tany handroahako azy any, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny sisa tavela rehetra amin’izao taranaka ratsy izao, ka mbola velona any amin’ny toerana izay nanelezako azy any, dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona. Izany no teny hentitr’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny sisa rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.