Jeremiah 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no mikomy ka tsy mety mitsahatra mihitsy? Mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ka tsy mety miverina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana, ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany? Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.
Malagasy Bible 1865
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no mikomy ka tsy mety mitsahatra mihitsy? Mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ka tsy mety miverina.
malagasy
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.[Heb. ity firenena Jerosalema ity]