Jeremiah 8:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihaino Aho ka nandre fa milaza teny tsy marina izy. Ary tsy misy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: Inona ity nataoko ity! Izy rehetra dia samy mivily eny am-pandehanany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ny ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nitandrina tsara Aho ary nihaino: Tsy miteny araka ny mety izy ireo; tsy misy manenina amin’ny haratsiany, na manao hoe: Inona re ity nataoko e? Fa dia samy rafitra mihazakazaka indray avokoa, hoatra ny soavaly miezaka ho amin’ny ady!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohenoiko tsara izay nolazainy fa tsy mitombina velively. Tsy misy mba manenina amin’ny haratsiany izy na mba manontany tena hoe: «Inona ity nataoko?» Fa samy mivily amin’izay maharevo azy avy izy tahaka ny soavaly miriotra amin’ny ady.
Malagasy Bible 1865
Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihaino Aho ka nandre fa milaza teny tsy marina izy. Ary tsy misy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: Inona ity nataoko ity! Izy rehetra dia samy mivily eny am-pandehanany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ny ady.
malagasy
Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.[Na: samy mivily eny am-pandehanany]