Jeremiah 8:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vano eny amin’ny habakabaka aza mahalala ny fotoan’androny, ny domohina aman-tsindintsidina mbamin’ny vanobe, samy mitandrina ny fotoam-piverenany koa; fa ny vahoakako kosa, tsy mahalala ny lalàn’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.
Malagasy Bible 1865
Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.
malagasy