Jeremiah 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enga anie aho ka hahita fitoerana any an-tany efitra tahaka ny olona mpandeha lavitra! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enga anie aho ka hahita fitoerana any an-tany efitra tahaka ny olona mpandeha lavitra! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy ireo.
malagasy
[Ny alahelon'i Jeremia noho ny faharatsian'ny olona] Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.