Jeremiah 9:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao? Iza no efa nitenenan’ny vavan’NY TOMPO mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny tany efitra ka tsy misy olona mandeha eo intsony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.
Malagasy Bible 1865
Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?