Jeremiah 9:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mihevera tsara ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana ireny mba ho avy; eny, ampanantsoy ireny vehivavy mahay ireny mba ho tonga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mihevera ny hiantsoana izay hiati-dranomaso ka aoka ho tonga izy ireo! maniraha ho any amin’ireo mahay indrindra, ka aoka ho tonga ireny!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no TOMPOn’izao rehetra izao. Tandremo, antsoy ho tonga ireo vehivavy mpitomany. Maniraha haka ireo efa za-draharaha;
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mihevera tsara ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana ireny mba ho avy; eny, ampanantsoy ireny vehivavy mahay ireny mba ho tonga.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;