Jeremiah 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy tamin’ny fahamarinana no nahazoany hery etỳ ambonin’ny tany; fa mandroso amin’ny ratsy kokoa hatrany izy ary tsy mba fantany Aho, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manenjan-dela, toy ny tsipìka, handefasan-dainga; tsy amin’ny marina no mahahery azy amin’ny tany, fa mivarilavo amin’ny fahotana ihany izy ireo, ary Izaho tsy mba fantany, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.
Malagasy Bible 1865
Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy tamin’ny fahamarinana no nahazoany hery etỳ ambonin’ny tany; fa mandroso amin’ny ratsy kokoa hatrany izy ary tsy mba fantany Aho, hoy NY TOMPO.
malagasy