Jeremiah 9:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataovy hoe: Izao... - teny marin’i Iaveh: - Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha, ny fatin’ny olona, sy hoatra ny andalam-bary eo aorian’ny mpijinja, ka tsy misy mpanangona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»
Malagasy Bible 1865
Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan 'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy.
malagasy
Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.[Heb. any aorian']