Job 1:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon’Andriamanitra ary nandoro ny ondry aman’osy sy ny mpanompo ka nandevona azy. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin’ny ankizy lahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaham-potaka ny ondry aman’osy sy ny mpiandry azy ka levona, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
Malagasy Bible 1865
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon’Andriamanitra ary nandoro ny ondry aman’osy sy ny mpanompo ka nandevona azy. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
malagasy