Job 1:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nisy Kaldeana nanao telo toko, niroatra nankeny amin’ny rameva izy ireo ka namabo azy ary ny mpanompo dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin’io? dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Nasian’ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
Malagasy Bible 1865
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola niteny izy dia nisy iray koa tonga ka nilaza hoe: Nisy Kaldeana nanao telo toko, niroatra nankeny amin’ny rameva izy ireo ka namabo azy ary ny mpanompo dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
malagasy