Job 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fanaon’ny zanany lahy ny nifanasa ka nitety ny tranony avy, ary nandefa iraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fanaon’ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin’ny sakafo tsara samy amin’ny an’androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fanaon’ireo zanakalahin’i Jôba ny mifandimby mifanasa amin’ny sakafo tsara. Koa nasainy ireo anabaviny telo mba hiaraka mihinana sy misotro aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fanaon’ny zanany lahy ny nifanasa ka nitety ny tranony avy, ary nandefa iraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
malagasy
Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.