Job 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia nandefa iraka haka azy i Joba ka nanamasina ireny. Nifoha vao maraina izy ka nanolotra fanatitra dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy i Joba: Fandrao nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain’i Jôba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: «Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin’Andriamanitra tao am-pony». Toy izany no nataon’i Jôba hatrany hatrany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin’i Jôba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Jôba hoe: «Fandrao nanota na nandà an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.» Izany no nataon’i Jôba mandrakariva.
Malagasy Bible 1865
Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia nandefa iraka haka azy i Joba ka nanamasina ireny. Nifoha vao maraina izy ka nanolotra fanatitra dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy i Joba: Fandrao nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.
malagasy