Job 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny.
malagasy
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.