Job 11:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fahendren’olombelona dia fahendrena poakaty ary raha vao teraka izy dia toy ny zanaky ny borikidia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny fandinihina izany, na ny adala aza hahazo hevitra, na ny zanak’ampondra dia aza, ho tonga manan-tsaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay ny olona tsy ampiampy saina aza dia mety hahazo fahendrena indray na dia toetram-borikidia aza izy fony vao teraka.
Malagasy Bible 1865
Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny fahendren’olombelona dia fahendrena poakaty ary raha vao teraka izy dia toy ny zanaky ny borikidia.
malagasy
Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]