Job 14:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fitoeran’ny maty Ianao ka hanafina ahy mandra-pahafaka ny fahatezeranao ary hanendry fetrandro ho ahy ka hahatsiaro ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey! raha mba mety manafina ahy any amin’ny fonenan’ny maty mantsy Ianao, ka hampiery ahy any mandra-pahafaky ny hatezeranao, hilaza amiko izay fetr’andro hahatsiarovanao ahy indray!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andriamanitro ô, raha mba nafeninao tany amin’ny toeran’ny maty aho ka notoloranao fialofana hiereko mandra-pitony ny fahatezeranao! ka aorian’izay dia hahatsiaro ahy Ianao!
Malagasy Bible 1865
Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fitoeran’ny maty* Ianao ka hanafina ahy mandra-pahafaka ny fahatezeranao ary hanendry fetrandro ho ahy ka hahatsiaro ahy.
malagasy
Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]