Job 16:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro ary nalako baraka teo amin’ny vovoka ny tandroko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanjairako gony ny hoditro, ary nahosinkosiko tamin’ny vovoka ny handriko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanjaitra lamba fisaonana aho, mba hanaronako ny hoditro; ary nahosiko tanaty vovoka ny handriko.
Malagasy Bible 1865
Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro ary nalako baraka teo amin’ny vovoka ny tandroko*.
malagasy
Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]