Job 16:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho kosa dia mba nahazo niteny tahaka anareo raha mba tamin’ny toerana misy ahy ianareo; eny, ho nahazo nandahatra teny hoenti-mamely anareo aho ary nahazo mihifikifi-doha aminareo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahay miteny toa anareo izao koa aho, raha ianareo no mba toy ahy izao; hofafazako teny tsara lahatra ianareo, hanifikifi-doha aminareo aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afaka hiteny tahaka anareo koa aho, raha ianareo no mba teo amin’ny toerako. Hanaovako kabary tsara lahatra ianareo ary hanifikifi-doha ho fangorahana anareo aho.
Malagasy Bible 1865
Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho kosa dia mba nahazo niteny tahaka anareo raha mba tamin’ny toerana misy ahy ianareo; eny, ho nahazo nandahatra teny hoenti-mamely anareo aho ary nahazo mihifikifi-doha aminareo;
malagasy
Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;