Job 2:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala ny teninao! Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony i Joba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy izy taminy: «Miteny toy ny vehivavy adala ianao! Mandray ny soa avy amin’Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa?» Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy mba nanota tamin’ny molony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jôba namaly azy: –Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy? Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala ny teninao! Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony i Joba.
malagasy