Job 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy, dia i Elifaza temanita, i Bildada sohita ary i Zofara namatita. Nifamotoana izy ireo mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre ny loza rehetra nanjò an’i Jôba ireo sakaizany telo lahy: i Elifaza avy any Temàna, i Baldada avy any Sohe, ary i Sôfara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin’ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandre ny fahoriana rehetra nianjady tamin’i Jôba ny sakaizany telo lahy, dia i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsofara avy any Nahamà, ka samy niala tany aminy avy ary nifanaiky fa haneho aminy ny fiaraha-miory sy hankahery azy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy, dia i Elifaza temanita, i Bildada sohita ary i Zofara namatita. Nifamotoana izy ireo mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
malagasy