Job 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy na dia nanesika Ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Maharitra mandrakariva amin’ny fahamarinana izy, na dia notaominao hamery azy tsy ahoan-tsy ahoana aza Aho».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy indray ny Tompo taminy: –Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin’antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy na dia nanesika Ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao.
malagasy