Job 21:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Impiry moa no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy sy misy ny loza manjo azy ary anomezan’Andriamanitra ny anjarany noho ny fahatezerany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mba fahita matetika va ny hoe, maty ny fanilon’ny tsy mivavaka, iantsamboran-doza izy ireo, na nanendren’Andriamanitra anjara amin’ny hatezerany izy ireo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Matetika ve no maty tampoka ny jirom-piainan’ny olon-dratsy? Matetika ve izy no iharan-doza, na ianjadian’ny fahatezeran’Andriamanitra mba ho anjara sahaza azy?
Malagasy Bible 1865
Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Impiry moa no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy sy misy ny loza manjo azy ary anomezan’Andriamanitra ny anjarany noho ny fahatezerany?
malagasy
Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]