Job 21:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny heloky ny rainy! Tsia! Fa ny tenan’ireny ihany no tokony handray ny valiny ary aoka ho fantany izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ianareo: ‹Atokan’Andriamanitra ho an’ny zanany ny sazy afitsony azy›. Fa aoka ny Tenan’Andriamanitra no hanasazy azy mba ho tsaroany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ianareo hoe: «Andriamanitra noho ny helo-dray, dia mbola hanasazy ny zanany.» Tsia! Fa aoka ilay meloka ihany no hosazin’Andriamanitra mba hahatonga saina azy.
Malagasy Bible 1865
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny heloky ny rainy! Tsia! Fa ny tenan’ireny ihany no tokony handray ny valiny ary aoka ho fantany izany!
malagasy
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.