Job 24:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny andevonan’ny andro maina sy ny andro mafana ny rano avy amin’ny orampanala no andevonan’ny fitoeran’ny maty ny mpanota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny ifohan’ny maina sy ny hafanana ny ranom-panala, no iteleman’ny Seoly ny mpanota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny andevonan’ny hafanana sy tanihay ny ranomandry no andevonana ny mpanota any amin’ny fonenan’ny maty.
Malagasy Bible 1865
Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny andevonan’ny andro maina sy ny andro mafana ny rano avy amin’ny orampanala no andevonan’ny fitoeran’ny maty* ny mpanota.
malagasy
Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.[Heb. Sheola]