Job 26:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indreny no ampahany kely amin’ny asany ary ako malefak’izany no mba rentsika fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no hahatakatra izany?
Malagasy Bible 1865
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
malagasy
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?