Job 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hitaky azy indray ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana; aoka hitatao eo amboniny ny rahona; aoka hampihoron-koditra azy ny fahamaizin’ny andro!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny haizina aman’aloky ny fahafatesana anie hahalasa azy, ho voasaron’ny rahona matevina izy, ka hahatsiravina ny fanakonana ny hazavany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.
Malagasy Bible 1865
Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hitaky azy indray ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana; aoka hitatao eo amboniny ny rahona; aoka hampihoron-koditra azy ny fahamaizin’ny andro!
malagasy
Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]