Job 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ny haizim-pito hisambotra izany alina izany! Aoka tsy hiara-mifaly amin’ny andron’ny taona izy ary tsy ho anatin’ny fanisana ny volana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho babon’ny haizim-pito anie izany alina izany, ka tsy hisaina amin’ny andron’ny taona, tsy hiditra amin’ny fanisana ny volana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Enga anie ka izany no ho alina maizina indrindra ka tsy ho tafasisika amin’ny marikandro-taona ary tsy hiditra intsony amin’ny fanisàm-bolana.
Malagasy Bible 1865
Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ny haizim-pito hisambotra izany alina izany! Aoka tsy hiara-mifaly amin’ny andron’ny taona izy ary tsy ho anatin’ny fanisana ny volana!
malagasy
Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;