Job 32:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa niteny i Eliho, zanak’i Barakela bozita hoe: Mbola tanora aho fa ianareo kosa dia fotsy volo; koa natahotra aho fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay, dia niteny i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, ka nanao hoe: «Izaho vao tanora, ianareo efa anti-panahy; ka izany no natahorako, tsy nahasahiako ny hampahalala anareo izay mba hevitro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny i Elihò zanakalahin’i Barakela avy amin’ny fokon’i Boza ka nanao hoe: Mbola tanora loatra aho fa ianareo kosa efa be taona koa dia natahotra aho aloha ary tsy sahy nanambara taminareo izay mba fantatro.
Malagasy Bible 1865
ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa niteny i Eliho, zanak’i Barakela bozita hoe: Mbola tanora aho fa ianareo kosa dia fotsy volo; koa natahotra aho fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
malagasy
ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.