Job 33:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, eo anatrehan’Andriamanitra aho dia mitovy aminao; eny, izaho koa dia mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo anatrehan’Andriamanitra dia mitovy aminao aho, fa natao tamin’ny fotaka tahaka anao koa aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa mitovy isika eo anoloan’Andriamanitra: tanimanga no samy namolavolana antsika.
Malagasy Bible 1865
Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, eo anatrehan’Andriamanitra aho dia mitovy aminao; eny, izaho koa dia mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.
malagasy
Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.