Job 34:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa araka ny hevitrao va no hamalian’Andriamanitra ny ataon’ny olona no mandà ny toroheviny ianao? Ianao no mifidy fa tsy izaho! Koa izay fantatrao no ambarao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy maintsy ho araka ny hevitrao va no hitsaran’Andriamanitra, ka ianao hahazo manifika ny teny fitsarana avoakany? Ianao no aoka hifidy araka izay tianao, fa tsy izaho, ambarao izay fantatrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny hevitrao be tsikera io, ry Jôba, moa hanafay azy va Andriamanitra? Koa satria tsy izaho no manapaka fa ianao, dia lazao izay fantatrao.
Malagasy Bible 1865
Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa araka ny hevitrao va no hamalian’Andriamanitra ny ataon’ny olona no mandà ny toroheviny ianao? Ianao no mifidy fa tsy izaho! Koa izay fantatrao no ambarao!
malagasy
Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]