Job 36:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao koa aza dia sarihiny hiala tao amin’ny fahaterena ho amin’ny malalaka tsy misy manembantsembana ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ny latabatrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hotsoahany amin’ny fahaporetana koa ianao, hapetrany eo amin’ny malalaka, amin’ny fahafahana tanteraka, ary ho voavoatra ny latabatrao sy handrosoana izay hanim-py indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fahiny dia nalany tamin’ny fahaterena ianao ka napetrany tamin’ny toera-malalaka, ary dia ny hanim-py no naroso teo ambonin’ny latabatrao.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao koa aza dia sarihiny hiala tao amin’ny fahaterena ho amin’ny malalaka tsy misy manembantsembana ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ny latabatrao.
malagasy
Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.