Job 37:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika. Lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana ary ny fahamarinana tanteraka Izy. Tsy mba mampahory olona Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Tsitoha tsy azontsika takarina, fa lehibe amin’ny hery, amin’ny rariny, amin’ny fahamarinana; tsy mamoaka izay nataony na amin’iza na amin’iza Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy no ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina, sady lehibe amin’ny hery ananany; fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy ka tsy mba mampahory ny olona.
Malagasy Bible 1865
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika. Lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana ary ny fahamarinana tanteraka Izy. Tsy mba mampahory olona Izy.
malagasy
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.[Na: mamaly]Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]