Job 39:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy hoe Hia! Manimbolo ny ady izy raha mbola lavitra, dia ny antsoantson’ny manamboninahitra sy ny akoralava mihantsy ady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao mandre ny feon’ny bingona izy dia milaza hoe: ‹ndao!› mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akora lavan’ny mpiady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihiaka izy raha vao mahare ny anjomara, ary eny lavitra eny no anamboloany ny ady sy ny treron’ny manamboninahitra ary ny akoran’ady.
Malagasy Bible 1865
Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy hoe Hia! Manimbolo ny ady izy raha mbola lavitra, dia ny antsoantson’ny manamboninahitra sy ny akoralava mihantsy ady.
malagasy
Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.