Job 40:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa misy mahasambotra azy va raha mihiratra ny masony? Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa ho azo atao va ny misambotra azy manatrika, ao amin’ny harato, ary managorobaka ny orony?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa iza moa no hahasambotra azy ka hanapotsitra ny masony? Iza moa no hahavoafandrika azy ka hahaketoka ny orony?
Malagasy Bible 1865
Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? Mahasarika ny mamba amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka? Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana? Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao? Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao? Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto? Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany? Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa misy mahasambotra azy va raha mihiratra ny masony? Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
malagasy
Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?