Job 42:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nampody ny fiadanan’i Joba ho toy ny teo aloha rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy, koa nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nampody ny fiadanan’i Joba ho toy ny teo aloha rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy, koa nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
malagasy
Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.