Job 42:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay nahatran’NY TOMPO taminy; ary samy nanome azy kesita iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga avokoa ireo rahalahiny sy anabaviny mbamin’ny sakaizany taloha namangy azy sy niara-nihinana taminy tao an-tranony. Nangoraka azy sy nampionona azy izy ireo, noho ny fahoriana nahatran’i Iaveh taminy teo; ary samy nanome azy kesità iray sy masom-bolamena iray avy izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga namangy an’i Jôba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin’ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan’ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay nahatran’NY TOMPO taminy; ary samy nanome azy kesita* iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
malagasy
Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]