Job 42:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nitahy ireo taona farany niainan’i Joba mihoatra noho ireo taona voalohany ka nanana ondry aman’osy efatra arivo sy iray alina, rameva enina arivo, omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nambinin’i Iaveh mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tatỳ aoriana, ka nanana ondry 14.000, rameva 6.000, omby 1.000 tsiroaroa, ary ampondra vavy 1.000.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny taona sisa niainan’i Jôba, dia heniky ny fitahian’ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14 000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.