Job 42:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mbola velona efapolo amby zato taona i Joba taorianan’izany ka nahita ny zanany lahy sy ny zafiny ka hatramin’ny zafindohaliny aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izay; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanaka lahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia mbola velona efapolo amby zato taona i Jôba ka nahita ireo zanany sy zafikeliny hatramin’ny zafindohaliny.
Malagasy Bible 1865
Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mbola velona efapolo amby zato taona i Joba taorianan’izany ka nahita ny zanany lahy sy ny zafiny ka hatramin’ny zafindohaliny aza.
malagasy
Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]