Job 42:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, makà vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ary mankanesa any amin’i Joba mpanompoko ka manolora fanatitra dorana manontolo ho anareo. Ary i Joba mpanompoko no hifona ho anareo fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filazan’i Joba mpanompoko ny filazanareo Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny mandehana maka vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin’i Jôba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary i Jôba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany no tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba ny filazanareo Ahy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, makà vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ary mankanesa any amin’i Joba mpanompoko ka manolora fanatitra dorana manontolo ho anareo. Ary i Joba mpanompoko no hifona ho anareo fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filazan’i Joba mpanompoko ny filazanareo Ahy.
malagasy