Job 7:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izaho dia tsy hamehy vava fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny foko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany dia tsy hamehy ny vavako aho; fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko, handefa ny fitarainako noho ny ngidiny ato am-poko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tsy hamehy vava hangina intsony aho, fa misefosefo mafy ka tsy maintsy hiteny ary tezitra anaty ka voatery hitaraina.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izaho dia tsy hamehy vava fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny foko.
malagasy
Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.