Job 7:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho ka tonga enta-mavesatra amiko ny tenako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nanota aho, inona no azoko atao aminao, ry Mpiandry ny olombelona ô! Nahoana no dia apetrakao hiantefan’ny zana-tsipìkanao aho, ka hampanjarianao enta-mavesatra ho ahy ny tenako?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona anao moa izany, ry Mpiambina ny olombelona ô? Nahoana no dia nataonao lasibatra aho? Efa tonga enta-mavesatra ho anao ve aho?
Malagasy Bible 1865
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho ka tonga enta-mavesatra amiko ny tenako?
malagasy
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.