Job 7:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Ianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; hitady ahy fatratra Ianao nefa tsy hisy intsony aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho, ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana no tsy avelanao ny fahadisoako ary tsy esorinao ny heloka vitako? Fa indro efa ho faty aho ka handry eo amin’ny vovoka; ary hitady ahy fatratra Ianao saingy efa tsy izy intsony aho amin’izay.
Malagasy Bible 1865
Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Ianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; hitady ahy fatratra Ianao nefa tsy hisy intsony aho.
malagasy
Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.