Job 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vao mandry aho dia mieritreritra hoe: Rahoviana re aho no hifoha? Fa mihalava ny alina ary tsy mitsahatra mivadibadika aho mandra-pahazava ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nony handry aho manao hoe: ‹Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra?› dia nandry andriran’antsy foana eo aho, mandra-pahazavan’ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao mandry aho, dia manao anakampo hoe: «Rahoviana aho no hifoha?» Fa tsy mety tapitra ny alina, ary mivadibadika aho mandra-maraina.
Malagasy Bible 1865
Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vao mandry aho dia mieritreritra hoe: Rahoviana re aho no hifoha? Fa mihalava ny alina ary tsy mitsahatra mivadibadika aho mandra-pahazava ny andro.
malagasy
Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]