Joel 1:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, fa tsy ho hita intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an- tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.
Malagasy Bible 1865
Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, fa tsy ho hita intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina.
malagasy
Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay]