Joel 1:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo, ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo, ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO.
malagasy
Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.