Joel 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania; ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin’ny divay vaovao; izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.
Malagasy Bible 1865
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!
malagasy
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.