Joel 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh; misaona ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy entina intsony ao an- tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.
malagasy
Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.