Joel 2:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe ny Andron’NY TOMPO sady mahatahotra indrindra, koa iza no mahatanty izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny TOMPO mitrena toa kotro-baratra eo alohan’ny tafiny. Marobe sy matanjaka ireo miaramila mpanatanteraka ny baikony. Fa lehibe ny andron’ny TOMPO; mahatahotra indrindra izany ka tsy hisy hahatanty.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe ny Andron’NY TOMPO sady mahatahotra indrindra, koa iza no mahatanty izany?
malagasy