Joel 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay.» Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
malagasy
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,